Tontosa omaly, teny amin’ny efitranon’ny Kolontsaina, Lisea an’Ampefiloha (LMA) ny “Antsa Tononkira”. Hetsika namelomana an-tsehatra ny tononkalo nosoratan’ny mpikambana Havàtsa Upem. Anisan’ny novelomina ny tonokalon’i Odéam Rakoto, Dox, Célestin Andriamanantena, Rado, Clarisse Ratsifandriamanana, Abel Andriamalala… Ankoatra ny fiantsana sy fihirana ny tononkalo, nisy ihany koa ny fampirantiana ny asa soratr’ireo mpanoratra vao misandratra.
Tafiditra tao anatin’ny fankalazana ny tenindreny, omaly, ny hetsika « Antsa Tononkira ». Ankoatra ny fankalazana lehibe, teny amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy, nisy an’ity hetsika ity koa nentina nankalaza izany. Nandritra ny hetsika koa no nitarafana ny lanja sy ny fomba nampiasan’ireo mpanoratra mpikambana ao amin’ny Havàtsa Upem ny teny malagasy. Manginy fotsiny ny fakan-tahaka ataon’ireo mpanoratra vao misandratra ho fanohizana ny « Velona ary mivelona ny teny ka tokony hampiainina sy kolokoloina mba tsy ho zara fa velona », Araka ny nambaran’ny tomponandraikiny,
Lin