Haja Nirina: “Mbola ambany ny taham-pisoratana anarana amin’ny Rale na niakatra aza”

Aiza ho aiza ny fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana (Rale) amin’izao? Mitatitra ny fanaraha-maso nataon’ny fikambanana ny tomponadraikitry ny serasera eo anivon’ny KMF/Cnoe Fanabeazana olom-pirenena, i Haja Nirina: “Mbola ambany ihany ny taham-pisoratana anarana raha ampitahaina amin’ny teo aloha, satria efa nisy fotoana tafakatra 7% izany.” Dinidinika…

Gazety Taratra (*): Ny fahitanareo ny fizotran’ny fanavaozana isan-taona ny lisitry mpifidy?

Haja Nirina (-): Nitombo ny taham-pisoratana anarana tamin’ity. Nanamafy an’izay ny Ceni tamin’ny 12 febroary: 2,5% ny vinan-dry zareo ampitahaina amin’ny lisitra teo aloha, nefa tafakatra 3,42% izany. Ho an’Antananarivo, ohatra, niakatra izany, raha latsaka be tamin’ny fanavaozana tanteraka. Antony, teo ny fisalasalana ara-kevitra: hirosoana ny fifidianana, nefa ny vondron’ny kandidà nitaky ny fanadiovana ny tokatanim-pifidianana. Ambany ny isan’ny tafiditra tamin’ny fanavaozana tanteraka. Niainga tamin’izay ny Ceni: ambany ny niaingana, lasa ambany ho azy ny vina raha 2,5% tafakatra 3,42 %. Mbola ambany ihany izay 3,42% izay raha ampitahaina amin’ny teo aloha, araka ny fahitan’ny KMF/Cnoe, satria efa nisy fotoana tafakatra 7% izany.

* Inona nahatonga an’izay fiakaran’ny taham-pisoratana anarana izay?

– Fifidianana akaiky vahoaka ny fifidianana depiote sy ny fifidianana ben’ny Tanàna. Rototra kokoa ny olona amin’izany. Akaiky azy kokoa izay hofidina, na izay mieritreritra ho kandidà no mampirisika mba hahazoan’ny olona mifidy azy. Nefa ny Collectif malagasy mbola misalasala ary mitaky ny fanadiovana ny lalàm-pifidianana, ny lisi-pifidianana… Izao anefa ny fotoana fanadiovana ny lisitra. Miteny ry zareo hoe hanadio ny lisitra, nefa tsy mampiditra ny olona ho amin’izany. Misy fifanoheran-kevitra izay. Raha te hanadio lisitra ry zareo: mampiditra izay tokony ho ao sy manala izay tsy tokony ho ao ary mifanentana ho amin’izay.

*Inona no mety ho vokatr’izay fiakaran’ny taham-pisoratana anarana izay amin’ny fifidianana?

– Araka ny tenenin’ny KMF/Cnoe hatramin’izay, fifidianana fihodinana faharoa hitsarana ny fihodinana voalohany teo ny fifidianana depiote: na manamafy na manohitra ny fifidianana filohan’ny Repoblika teo. Ho hazakazaka be izany na ho an’ny andaniny na ny ankilany, hanamarina ny fananana ny ara-dalàna sy ara-drariny ny fahefana. Antenaina fa hiakatra ny taham-pavitrihan’ny mpifidy, raha ampitahaina amin’ny fisalasalana teo aloha.

Nangonin’i R. Nd.

Partager sur: