Omaly, nanatanteraka fitsidihina ara-pomba fanajana an-dRazanamahasoa Christine, filohan’ny Antenimierampirenena, teny Tsimbazaza, ny Masoivoho vaovaon’ny Repoblika Islamikan’Iran eto Madagasikara, Hassan Ali Bakhishi. Anisan’ny noresahina nandritra ny fihaonana, ny momba ny fifandraisana ara-diplomatikan’ny firenena roa tonta. Tanjona ny hanamafisana ny fiaraha-miasan’ny firenena sy ny hijerena ny sehatra hafa afaka hiarahana miasa ho fanatsarana izany.
Ankoatra izay, nitsidika ny Lapan’ny Antenimierampirenena sy nitafa tamin’ireo tomponandraikitra maro samihafa ihany koa ity masoivohon’ny repoblika Islamikan’ny Iran ity. Tao anatin’izany no nanambarany fa hisy ny fijerena ny mety ho fiaraha-miasa amin’ny Antenimierampirenena. “Misokatra, ary vonona hiara-hiasa amin’ny rehetra ny fitondram-panjakana ho tombotsoan’ny firenena Malagasy”, hoy Razanamahasoa Christine.
Lin




