Raha jerena ny lasa, ny fandaniana mihoa-pampana nandritra ny taona amin’ny fampandehanan-draharaham-panjakana, manana zo feno ny olom-pirenena hitaky mangarahara, tamberin’andraikitra, indrindra fiantraikany mivaingana amin’ny fiainany andavanandro ho an’ny fampandrosoana maharitra. Izay no anisan’ny voalazan’ny fanambaran’ny firaisamonina sivily CCOC, MSIS-Tatao, ONG Hitsy, ONG Ivorary, ONG Lalana, ONG Ravintsara, omaly, ny amin’ny fanendrena sekretariam-panjakana.
Lohatenin’ny fanambarana: “Mba tena hisy fiantraikany miabo amin’ny fiainan’ny olom-pirenena ny Ariary iray miala amin’ny volam-panjakana ho an’ny fampandrosoana lovainjafy sy iraisan’ny rehetra”. Toa mifanitsaka ny andraikitr’ireo minisitera sy ny sekretariam-panjakana, ary tsy mazava ny maha samy hafa azy ireo. Iza, ohatra, no hanao tatitry ny fahatrarana na tsia ny vokatra andrasana? Vola fanampiny holaniana amin’ny fampandehanana ireo rafitra mifanindry andraikitra ireo. Hanao ahoana ny fametrahana ny olona hiasa amin’izany, ny fitaovana, ny vola hampiasaina? Tsy misy intsony ve izany ny fitsinjaram-pahefana? Ny fametrahana ireo sekretariam-pajakana ireo anefa dia maneho indray ny finiavana hifehy ny fanapahan-kevitra rehetra sy ny raharaham-panjakana eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika.
R. Nd.