Fampiofanana olom-boafidy: nahazo fiofanana ny tomponandraikitra

Manatanteraka fiofanana mahakasika ny fitantanana raharaham-panjakana, ny Ta­le sy ny Lehiben’ny sampandraharaha eo anivon’ny Ins­titut Nationale de la Décen­tralisation et du Dévelop­pe­ment Local (INDDL). Fiofa­nana izay notanterahina na­no­mboka omaly ary ifarana anio. Tanjona amin’izao hetsika izao ny hahafantaran’izy ireo bebekokoa ny momba ny fanjakana tsara tantana sy ny hahafehezan’izy ireo ny fampiofanana olon-dehibe. Fia­raha-miasan’ity ivon-toerana ity amin’ny Comité pour la Sauvegarde de l’Intégrité (CSI) no nahatontosa izany.
Tafiditra ao anatin’ny politika sy ny asa laharam-pahamehan’ny minisiteran’ny Fi­tsin­jaram-pahefana sy ny Fanajariana ny Tany, ny fampiofanana ny olom-boafidy eny ifotony, ahafahana mametraka antsakany sy andavany ny fanjakana tsara tantana, araka ny nambaran’Andrian­tsito­haina Naina, minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy Fa­na­jariana ny Tany. Izany no atao mba hahatanterahan’ny vinan’ny filoham-pirenena amin’ny fampandrosoana ny firenena. Anisan’ny tomponandraikitra amin’ny fanatanterahina izany ny avy eo anivon’ny INDDL. Izy ireo izay hampiofana ny olom-boafidy eny ifotony mba hahatontosa ny politikan’ny mpitondra fanjakana.

Lin

Partager sur: