Fanabeazana ara-pananahana: tsy manaiky ny naoty navoakan’ny minisitera ny depiote

Mitsipaka ny naoty, mahakasika ny fanabeazana ara-pananahana, navoakan’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ny solombavambahoaka. Voalaza fa mila fankatoavana ny fampianarana ho zaraina any an-dakilasy.

Namoaka « note circu­laire » ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ny volana novambra 2023. Ma­nambara izany fa tsy maintsy alefa any amin’ny sampandraharaha misahana ny toeram-pampianarana ny hetsika fanentanana na fampahala­lana rehetra momba ny fananahana, hatao any an-dakilasy. Tokony hivoy ny tsy fanaovana firaisana ara-nofo ny fanabeazana ara-pananahana feno
ho an’ny mpianatra izany. Tsy azon’ny mpanabe atao ny mampahafantatra ny fampiasana fitaovana fisorohana ny vohoka, toy ny kapaoty mandritra ny fampianarana, hoy ny fanambarana ihany.
Manoloana izany, nisy atrikasa niarahan’ny firaisamo­nina sivily sy ny solomba­vambahoaka mivondrona ao anatin’ny “réseau parlemen­taire pour la justice repro­ductive”, omaly.

Voabahana

Amin’izao fotoana izao, tsy afaka misehatra amin’ny fa­nentanana eny anivon’ny sekoly intsony ny firaisamo­nina sivily. Nanao adisisika teny amin’ny depiote izy ireo, omaly. Miangavy ny mpanao lalàna hitondra ny teny eny governemanta. Nohamafisin’ izy ireo fa ilaina ny fanome­zana fanabeazana feno ny tanora. Iraha-mahalala fa miditra ao anatin’ny firaisana ara-nofo ny ankamaroan’ny ankizy. “Betsaka anefa no tsy mahafantatra ny fomba fiarovan-tena amin’ny vohoka tsy niriana. Manginy ny aretina mety ateraky ny firaisana tsy voaaro”, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra ao amin’ny coalition Genre et égalité, Andria­masy Eugène.
Efa nivoaka ny taona 2017 ny lalàna 2017/043 mahaka­sika ny fahasalamana sy ny fandrindrana fiterahana. Ma­namafy izany fa afaka misi­traka fanabeazana sy fampahalalana amin’ny fahasala­mana ara-pananahana ny rehetra, tsy anavahana taona, araka ny voalaza ao amin’ny andininy 03 sy 05. Fihemo­rana ny fandraisan’ny solombavambahoaka ilay naoty. Tsy manaiky izany izy ireo, hoy
ny filohan’ny tambajotra, ny depioté voafidy tany Mora­manga, dokotera Rajaobelina Lova.

Vonjy A.

Partager sur: