INDRAY MIJERY

9 484 ny olona traboina vokatry ny rotsakorana be niseho nanomboka ny 6 febroary lasa teo. 4 796 ireo nafindra toerana amin’ny toeram-pandraisana 16. Mahatratra 9 147 ha ny tanimbary dibo-drano ao Bene­nitra, Fenoarivo Atsinanana ary Toamasina II. 12 ny olona namoy ny ainy ary sivy ireo tsy hita popoka, araka ny tatitry ny BNGRC, omaly.

Nanomboka ny atrikasa fanaovana tombana ny lentam-pahaizan’ny mpianatra T5 amin’ny taranja malagasy, matematika ary frantsay ho an’ny Dren Androy, tao amin’ny lycée manara-penitra Ambovombe ka haharitra dimy andro izany. Tanjona ny hamoronana hasim-panofanana (module de formation) hampiasaina ao amin’ ny Dren mandritra ny andron’ny pedagojia (4 hatramin’ ny 7 marsa).

Hanatanteraka varavarana misokatra sy fitsaboana maimaimpoana ny hopitalim-panjakana rehetra manerana ny Nosy, manomboka anio hatramin’ny sabotsy izao. Fotoana hahafahan’ny rehetra mizaha fahasala­mana mivantana eny anivon’ny hopitaly ireo fotoana ireo. Hahafahan’ny dokotera manoro avy hatrany ny sampandraharaha mila hatonina ihany koa arakaraka ny aretina mitranga.

Nampahatsiahy ny kaominina Antananarivo Renivohitra fa mora fantatra ireo mpiasan’ny CUA mandoko ireo mari-pamantarana ny fiantsonan’ny fiara eny amin’ny sisin’arabe. Manao fanamiana misy ny mari-pamantarana SMGD izy ireo tsy itoviany amin’ny
mpisandoka ka tokony avela hanatanteraka ny asany ankalalahana.

Partager sur: