Efa nigadona any Egypte, ny ekipa malagasy, hiatrika ny dingana voalohan’ny fifanintsanana amin’ny Afrobasket 2025. I Côte d’Ivoire no mpifanandrina voalohany amin’ny Ankoay
Rahampitso zoma 23 febroary no hanomboka ity dingana voalohan’ny fifanintsanana amin’ny Afrobasket 2025, tanterahina any Le Caire Egypte. Ny ekipan’ny Côte d’Ivoire no hifandona voalohany amin’ny Malagasy mpilalao, amin’ny 5 ora hariva. Hihaona amin’ny Ankoay kosa ny ekipa mampiantrano, i Égypte, ny sabotsy 24 Febroary. Hamarana ny fifaninanana ny fifanandrinan’i Centrafrique sy i Madagasikara, ny alahady 25 febroary amin’ny 5 ora hariva. Vonona ny Malagasy mpilalao hiatrika ireo lalao 3 ireo ary efa tsara fanomanana. Efa nanomboka ny fiandohan’ity taona ity no nivondrona sy nanoman-tena izy ireo ka anatin’ny herijika tanteraka. Tsiahivina, 11 no isan’ny Malagasy mpilalao hiatrika ireo lalao 3 raha toa ka 12 no tao anaty lisitra tany am-piandohana. Tsy afaka tamin’ny ora farany mantsy, Razanamahenina Kiady, noho ny fahazoany klioba vaovao, ka hiatrika ny lalao voalohany ao amin’io kliobany io izy, araka ny loharanom-baovao. Namaly ny antso avokoa izy 3 mirahalahy mila ravinahitra ao Frantsa, hahitana an’i Rija, i Sitraka ary i Jerry Pépin, izay efa nigadona tao Egypte, omaly hariva. Efa nisy avy hatrany ny fanazaran-tena voalohany nataon’ny Ankoay, omaly, ka hitohy ho amin’ny anio izany. Mpilalao efa manana ny maha izy azy sy efa zatra miaraka rahateo, avokoa, ireo voaantso handrafitra ny ekipa nasionaly, toa an-dry Elly sy ry Livio, miampy ireo mpilalao izay milalao ao Frantsa 3 lahy. Ambony araka izany, ny vintana hahazoan’ny Ankoay ny fandresena amin’ity lalao ity ary manantena ny hiakatra amin’ny dingana manaraka.
Mi.Raz