Araka ny tetiandro napetraky ny ligin’ny atletisma Analamanga, hotanterahina amin’ny alahady 25 febroary ho avy izao, ny fiadiana ny ho tompondaka amin’ny Cross country. Eny amin’ny bout de piste Ivato no hanaovana izany. Hanana ny lanjany lehibe ity fihaonana ity, satria hifantenana izay hisolo tena an’Analamanga amin’ny fifaninanam-pirenena hatao any Ambatondrazaka, ny 9 marsa ho avy izao. Araka izany, samy handefa ireo tompondakany avy izany ireo seksiona mandrafitra ny ligin’Analamanga.
Tsiahivina fa hahazo ny tapakila handehanana any Ambatondrazaka ireo tafiditra ao anatin’ny 10 voalohany, miampy izay “quotat” mbola omen’ny federasiona arakaraka ny ligy. Mandray anjara amin’ity fihaonana ity avokoa ireo sokajin-taona rehetra.
Tompondaka