Rugby vehivavy : Makis 41 hanomana ny Can 2024

Raha tsy misy ny fiovana, hotanterahina eto Madaga­sikara ny 2 ka hatramin’ny 13 mai ho avy izao ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja rugby lalaovina olona 15 (CAN 2024), sokajy vehivavy. Hiady lohany amin’izany ny Makis de Madagascar, ny Springboks Afrika Atsimo, ny Liona-n’i Cameroun ary i Kenya.
Hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany 2025, izay roa voalohany amin’io. Hiady ny “Mondial” ho an’ny D1 ny voalohany ary D2 ny faharoa. Efa ao anatin’ny fanomanana izany ny Mala­gasy rugby, ka mpilalao 41 mirahavavy no hiatrika ny fampivondronana sy ny fanomanantena manomboka ny alatsinainy 26 febroary ho avy izao, etsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka. Mpilalao avy eto amin’ny ligin’Analamanga avokoa izy ireo ary nivoaka avy amin’ireo ekipa sangany toa ny SCB Besarety sy ny FTM Man­jakaray. Misy koa ny avy amin’ny 3FB sy ASUT ary ny FTFA miampy ny avy amin’ny RCTS. Ankoatra izay, efa niatrika lalao iraisam-pirenena avokoa ny ankamaroany.
Tsiahivina fa tamin’ny taon-dasa, nitana ny laharana fahatelo ny Makis de Mada­gascar. Tompondaka tamin’izany ny Springboks ary nahazo ny medaly volafotsy i Kenya. Samy nisolo tena an’i Afrika tany amin’ny “Mondial 2024” avokoa izy ireo. Hanala vela amin’ireo firenena roa ireo izany ny Makis, amin’ity.

Tompondaka

Partager sur: