Hatao ny alahady 25 febroary izao, eny amin’ny Tranompokonolona Ivato, ny”Grand combat Muay Thaï”, hifanandrinan’ny mpikatroka avy any Toamasina sy ny avy eto Analamanga. Sokajy A, B, C no hifaninana mandritra izany, izay hahitana ireo kalaza efa andrarezina sy izay mbola vao misandratra.
Mizotra tsara ny fikarakarana ny handraisan’i Madagasikara, ny fifaninanana CCC Zone 7, taranja Volley ball. Efa tonga eto an-toerana ny ekipan’ny Anse Royal Seychelles, ary misy ireo vahiny efa eny an-dalana hiatrika ity fifaninanana hanomboka ny 24 Febroary izao ity.
Namoaka ny lisitry ny taranja hifaninana mandritra ny lalaon’ny Nosy amin’ny taona 2027, ny firenena Kaomoriana. Araka izany, taranjam-panatanjahantena 17 no fantatra fa hifaninana mandritra izany, izay ahitana fihenana raha mitaha tamin’ny lalaon’ny Nosy farany teo.
Hanatanteraka fivoriana voalohany, ny eo anivon’ny Fihezama, ny sabotsy 24 Febroary izao. Miantso ireo tomponandraikitra amin’ny taranja izay maniry hiditra ao anatin’ny Fihezama, ny filohany mba ho avy mandritra ity fivoriana ity.