67ha Avaratra Andrefana : nisitraka jiro cobra ny mponina

Mitohy ny fampanantenan’ny filoham-pirenena ny vahoaka amin’ny fitondrana hazavana, nandritra ny fampielezan-kevitra nataony. Nahafaly ny mponina ny fisitrahana ireo jiro cobra teny amin’ny fokontany 67ha Avaratra Andrefana.

Nitohy, omaly, ny fametrahana jiro cobra hanazava ny lalana maro eto Antananarivo. Nisitraka izany ny mponina teo anivon’ny fo­kontany 67 ha Avaratra An­drefana. Nahatratra 9 ireo jiro napetraka teny amin’ny sisin’arabe ho an’ity fokontany ity. Enina kosa ho an’ny fokontany Avaratra Antsinanana. Tan­jona ny hitondrana hazavana ho an’ny mponina eny anivon’ny fokontany tsirairay avy. Ahitana andrin-jiro 99 ny ao amin’ny fokontany 67 ha Avaratra Andrefana. Tsy mandeha noho ny tsy fisian’ny jiro intsony kosa ny 25 % amin’ireo, raha ny tatitry ny sefo fokontany, ka manjaka ny tsy fandriampahalemana eny an-toerana, noho izany.
“Zava-dehibe ny fametrahana ny fahazavana eny an-toerana satria manena ny tsy fandriampahalemana izany”, hoy ny mponina. “Hisaorana ny fitondram-panjakana ny fanomezana ny fahazavana ho an’ny mponina. Maniry ny hitohizan’izany izahay”, hoy ny sefo fokontany eny an-toerana, Ranivoarisoa Liva. “Rehefa mitondra fampandrosoana ho an’ny fiaianan’ny olona andavanandro dia ma­hafaly anay”, hoy hatrany ny mponina. Nangatahan’izy ireo ihany koa ny anajanonana ny jiro tapatapaka. Manimba fi­taovana sy ny asa aman-draharaha be izany. “Ezahina hotratrarina ao anatin’ny fo­toana haingana ny fametahana ireo jiro cobra rehetra ma­nerana ny faritanin’Anta­nanarivo”, hoy Landry, teknisianina eo anivon’ny jirama.

Mino

Partager sur: