Tratran’ny polisy afak’omaly ireo mpamatsy rongony avy ao Analalava sy mivarotra izany eto andrenivohitra. Voasakan’ny polisy teo amin’ ny « barrage » Ankazobetsihay ny taxi-brousse iray mampitohy an’Ambanja sy Antananarivo tamin’io fotoana io. Nahenona fofona rongony ny fitoeran’entana tao ambany seza ka nosavaina. Hita tao anatina sakaosy miisa dimy ireo rongony milanja 150 kilao. Fantatra tamin’ny fanadihadiana ny tompon’ entana. Nilaza izy fa efa fantatry ny mpamily sy ny mpanampy ireo zava-mahadomelina ireo ary efa nifanarahana ny nitondrana azy. Noentina teny amin’ny kaomisarian’ny polisy Antsohihy avy hatrany izy ireo natao famotorana. Nogiazana ny fiara ary nafindra tamina fiara hafa ireo mpandeha rehetra. Fantatra fa avy any Analalava ireto rongony ireto ary saika hamidy eto andrenivohitra. Ankoatr’izay, voasambotry ny polisy afak’omaly koa ny vehivavy iray 21 taona, mpivarotra rongony eny Anosimasina. Mbola nahitana fonosana rongony 48 isa tao an-tranony. Saron’ny polisy nanao fanamiana sivily tetsy Miandriarivo Ambanidia koa ny lehilahy roa mpintsindrona rongony. Mbola nahitana rongony mahery vaika toy ny “roro” miaraka amin’ny fitsindromana izany tany amin’izy roalahy.
Mino (Mpianatra Asa)