Ambohijanaka : Jiolahy iray voatifitra

Nirefodrefotra ny basy ! Maty voatifitra ny jiolahy raindahiny iray teny amin’ny fokontany Ambatolampy, kaominina Ambohijanaka, ny alin’ny alarobia hifoha ny alakamisy 22 febroary teo. Teo am-pangalarana omby, voasambotry ny fokonolona io olon-dratsy io. Nentin’ny zandary natao famotorana izy ka nanaiky hitoroka ireo namany. Nentin’io jiolahy io nihazo ny lalamby izay toerana notondroiny ho misy ireo namany ny zandary. Nivadika hevitra indray ilay mpangalatra ka notarihiny nihazo an’i Tsilazaina, tsy lavitra an’Anganomasina vao nanao fanafihana ireo mpitandro filaminana tamin’ny 2 ora maraina. Nanararaotra nandositra tampoka anefa io jiolahy io ka lavo nandritra ny fitifirana azy. Karohina ireo namany.

Tsiferana R.

Partager sur: