Dimy lahy mpikambana anatin’ny tambajotran-jiolahy tra-tehaky ny mpitandro filaminana tao Amparihingidro, Mahajanga, afakomaly. Naharay fitarainana ny mpitandro filaminana ao an-toerana fa lasibatry ny asa ratsin’ireo jiolahy ireo ny mponina ao Amborovy, Ambondrona hatrany Amparihingidro. Nanao fisafoana alina ny UIR ka nifanehatra tamin’ireo olon-dratsy. Nitsoaka avy hatrany ireto farany rehefa nahatazana ny mpitandro filaminana. Raikitra ny fitifirana, voa teo amin’ny tongony ny iray tamin’ireo mpangalatra. Azo sambo-belona avokoa izy dimy lahy.
Tsiferana R.