avy any an-toerana. Nilaza izy fa avy any Masoabe distrikan’i Vohibato raha ny fanadihadiana natao taminy. Tsy nahare fahaverezana zaza varira ny zandary tany an-toerana hatramin’io fotoana io. Ary tsy mbola nisy fitarainana mikasika izany ihany koa. “Tsy mbola fantatra hatreto na avy any Masoabe marina izy na tsia fa mbola karohina ao amin’ ny lisitry ny mponina ny anarany mba hahafantarana ny toerana niaviany”, araka ny tatitry ny zandary. Marihina fa salama tsara izy ary notazomina eny amin’ny biraon’ny zandary any an-toerana hatreto. Andrasana handalo eny anivon’ny zandary ny fianakaviany. Mitohy ny fitadiavana loharanom-baovao momba azy sy ny antony nahatonga azy tany Ihosy.
Mino (Mpianatra Asa)