SOMBIM-BAOVAO

Tontosa tao Faratsiho Antsirabe, ny 17 febroary lasa teo, ny fifakalozan-kevitra voalohany, nokarakarain’ny ligin’ny baolina kitra, faritra Vakinankaratra. Tanjona amin’ity hetsika ity ny hahafantarana ny olana sendrain’ny baolina kitra any an-toerana, hisorohana ny disadisa rehefa manomboka ny fifaninanana.

Hotanterahina ny 2-3 marsa ho avy izao, any amin’ny Boulôdrome Tanjombato, ny fifaninanana entina hanokafana ny taom-pilalaovana 2024, taranja tsipy kanetibe, sokajy  séniors, lehilahy. Araka ny fanazavana nataon’ny mpikarakara, hotolorana lelavola 2 tapitrisa Ar izay mahazo ny laharana voalohany.

Hotanterahina ny 27 sy 28 marsa izao, ao amin’ ny Kianja mitafon’Ankorondrano, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja judo. Ny sokajy Mini­mes, Cadets, Juniors ary Séniors no hifaninana mandritra io roa andro io.

Nisokatra ofisialy ny alarobia 20 febroary ali­na, tany Kazan Russie, ny fifaninanana “Phygital Basketball-Game of the Future”, handraisan’i Madagasi­kara anjara. Omaly alina tamin’ny 9 ora ny Malagasy no niditra an-tsehatra nanoloana ny ekipan’i Frantsa.

Partager sur: