Mpitovo mananatra ny manana: miroborobo fatratra ny mpanao « développement personnel »…

Mitady izay hiantsampazana ny Malagasy. Mitotototo any amin’ny tontolon’ny fivavahana. Mirona any amin’ny resa-pinoana… Tao anatin’ny taona vitsivitsy izay, maro ny miantoraka any
amin’ireo milaza sy mitonona ho «coach» manao ny «développement personnel», satria ireny indray no eritreretin-dRamalagasy fa hamaha ny olany.

Miaina ao anatin’ny fahoriana sy fahantrana lalina ny ankamaroan’ny Malagasy, raha ny tarehimarika nasehon’ny sehatra iraisam-pirenena. Tsy takona afenina eny anivon’ny fiarahamonina rahateo izany. Samy te hiala haingana ao anatin’izany ny tsirairay ka manao ho zava-dehibe ny fitadiavam-bahaolana. Iray amin’ireny ny fanatonana «coach», mpanao irony antsoina hoe «développement personnel» irony. Amin’ny ankapobeny, ny «coach» no manoro hevitra, mitari-dalana, mba hivoaran’ny olona iray eo amin’ny fiainana na eo amin’ny zavatra (asa fihariana, fomba fitaizana, …) ataony (développement personnel).
Vokatry ilay fahantrana lalina mianjady aminy, marefo ny fo, ny saina, ny vatana ary ny fanahin’ny Malagasy ka mora taitran-drandrambao. Mora handairan-javatra ihany koa. Nahay nanararaotra ny tranga tahaka izany ireo mitonona ho «coach» mpanao «développement personnel» ka namelatra izay lazainy fa vahaolana… Raikitra ny rebikondry !
Fa iza ireo mitonona ho «coach» ireo?
Ho an’i Madagasikara sy ny firenena lazaina fa mahantra tahaka azy, vitsy dia vitsy amin’ireo mitonona ho «coach» no nianatra na mahafantatra sy mahafehy tsara ny momba ny fahalalana ampitainy. Mitonona ho mahay momba ny zava-panahy, ohatra, kanefa ny manavaka ny «avelo» sy ny «lolo» ary ny «angatra», aza tsy hainy. Ny fifehezana ny hetsiky ny volana aza tsy hananany ambilombazam-pahalalana akory… Ao ireo mikitika ny tontolon’ny fahendrena malagasy, kanefa, ny fomban-drazana faran’izay bitika aza tsy fantany !
Ampahan’olona mamaky boky vosoratra avy any amin’ny tany «mandroso», ireo mitonona ho «coach» ireo. Boky iray na roa momba ny fivoaran’ny sain’olombelona, ohatra, no novakiany, «Coach» momba ny fivoarana maha olona izy avy eo. Ampiasain’izy ireo ihany koa ny fitaovan-tserasera isan-karazany mba hitrandrahana fahalalana hampitaina etsy sy eroa.
Misy amin’ireny mitonona ho «coach» ireny no mbola tena «zaza bodo». Tranga mifanipaka tanteraka amin’ny fahendrena malagasy. Ny azy, ny fotsy volo amin-tany, zoky raiamandreny, ireo ela nihetezana, no fakan-kevitra sy zokim-pahalalana ary loharanom-pahendrena… Nivadika ny rasa !

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: