Ao anatin’ny fifaninanana tanteraka ny mpandray anjara amin’ny «Miss World Festival” andiany faha-71, atao any New Delhi sy Mumbai, Inde. Rajoelina Antsaly no misolo tena an’i Madagasikara amin’ izany fifaninanana lehibe maneran-tany izany. Nisy ny filatroana sy fisehoana an-tsehatra voalohany, omaly. Natao tamin’ny Opening dinner, niaraka tamin’ny fiakanjo nentin-drazana sy ny momba ny tany niaviany izany. “Sarimiaina no tena nahafantaran’ny olona an’i Madagasikara. Maro anefa ny zavatra mahafinaritra sy mikolo ny saina ananan’i Madagasikara, tokony mbola ho fantatry ny olona”, hoy Rajoelina Antsaly.Tsy mitsanga-menatra ary vonona ny hanandratra avo an’i Madagasikara, amin’ity fifaninanana ity ny solotenantsika.
Ankoatra ny filatroana, omaly, nisy ihany koa ny fifaninanana ara-panatanjahantena, nifaninanan’ireo mpandray anjara. Hazakazaka no natao ka azon-dRajoelina Antsaly ny laharana voalohany tamin’izany, ho an’ny kaontinantan’i Afrika. Tsikera sy sivana maro no hamaritana izay ho mpandresin’ity “Miss World Festival” ity. Ankoatra ny hatsaram-bika sy tarehy, misy ihany koa ny fifaninanana ara-panatanjahantena, ny fahaizana sy fahalalana. Takina amin’ny mpifaninana ihany koa ny tetikasa eo amin’ny fiarovana ny zon’ny ankizy izay hitsarana azy ireo.
Lin