TARATRY ny KANTO

Eric Tselatra – Piment Café Behoririka. Tsy dia fahita matetika ao amin’ity toeram-pialamboly ity ny mpanakanto hanafana ny sehatra anio. Mandalo an-tanindrazana i Eric Tselatra, hotronin’ireo namany, manomboka amin’ny 8 ora alina. Na toerana kelikely aza, mety amin’ny mozika mavesatra ihany koa, mampifanakaiky ny mpankafy sy ny mpanakanto, ny Piment Café.

Erick Manana. Nanambara ity mpankanto ity, omaly, fa “ohatry ny ho raikitra tampoka ny fihaonana ao amin’ny CCEsca Antanimena, ny alahady 14 avrily 2024”. Tsy tao anatin’ny fandaharam-potoanany ta­min’ity taona ity izany kanefa efa nampanantenainy koa fa raha vao misy hirika dia mandalo an-tanindrazana hatrany izy.

“Reko Tour 2024” – Gare Soarano. Ao amin’ ity toerana manan-tantara ity no hiaingan’ny “Reko Tour 2024”. Anio manomboka amin’ny 7 ora sy sasany, ao amin’ny efitrano Horloge ny seho iarahana amin-dry Fy sy ny tariny. Ho elaela indray vao ho tafaverina eto Antananarivo ry zalahy, satria hiatrika ny fitetezam-paritra hatrany ivelany.

M’Lam Manakambahiny – Mitohy ny tolo-tànana. Mbola anatin’ny ady mafy i Mikakely, raha ny nampitain’ny fianakaviany. Manohy ny antso avo sy ny fiaraha-mientana ireo mpanakanto namany, ka misy ireo hiaka-tsehatra etsy amin’ny M’Lam Ma­na­kam­bahiny, anio, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro: Lianah, Gado’Asy, Serge GPE, Fara Gloum, New Sic, Coddy, sns.

Partager sur: