INDRAY MIJERY

Nahazo fampitandremana amin’ny fahabetsahan’ny rotsakorana ny faritra Diana, Sava, Sofia, Betsi­boka, Bongolava ary ny distrikan’Ankazobe sy Andila­mena ho an’ny anio. Hahazo vahana ny oram-baratra amin’ny tapany avaratry ny Nosy sy ny faritra sasany amin’ny afovoantany ka mety hahatratra 90 mm ao anatin’ny 24 ora ny refiny.
Hatao sonia amin’ny herinandro ho avy io, any Antsirabe, ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny fanjakana japoney sy ny faritra Vakinankaratra. Fano­me­zana fiara fitondrana marary ho an’ny faritra, tafiditra ao anatin’ny fanohanana ny tetikasa miahy ny maha olona ny tohana homeny.
Nampahatsiahy ny minisiteran’ny Fampiana­rana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa fa 15 000 Ar ny sara-pisoratana anarana ho an’ireo mpianatra hanala fanadinana bakalorea raha candidat d’école. Raha candidat libre kosa dia 50 000 Ar ary raha mpiadina teratany vahiny dia 100 000 Ar. Tokony ho feno mialoha ny 26 avrily ny antontan-taratasy rehetra.
Hotanterahina ny volana mey sy jona izao ny hetsika faobe fanaovam-baksiny ny ankizy hiadiana amin’ny aretina lefakozatra. Fantatra izany nandritra ny fihaonan’ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena sy ny de­legasiona misahana ny ady amin’ny lefakozatra, omaly. Mangataka fiaraha-miasa amin’ny minisitera izy ireo amin’izany.

Partager sur: