Tao anatin’ny 10 taona : miaina ao anaty fahantrana ny 75,2% ny Malagasy

Mitotongana ny fiainan’ny tokantrano malagasy tao anatin’ny folo taona, indrindra ny any ambanivohitra. Mahantra avokoa ny 75,2% amin’ny mponina.

Mbola miaina ao anaty fahantrana lalina ny Malagasy. Mahantra avokoa ny 79,9%-n’ny mponina eny ambanivohitra raha toa 55,5% amin’izany ho an’ireo monina an-tanàn-dehibe, araka ny tatitra navoakan’ny Banky iraisam-pirenena, omaly. Tao anatin’ny 10 taona, nahitam-pihenany ny taham-pahantrana eny amin’ny tontolo ambanivohitra raha toa ka nihakatra hatrany amin’ny 31,5% izany an-tanàn-dehibe. Izany hoe, 42,2% ny taona 2012, tafakatra hatrany amin’ny 55,5% ny taona 2022. Anisan’ny nahatonga izany ny Covid-19. Niakatra avokoa ny vidin’ny akora fototra, nanampy trotraka ireo loza voajanahary, ny fitombon’ny mponina an-tanàn-dehibe, ny tsy fisian’asa, hoy ny fanazavan’i Atou Seck, tomponandraikitra eo anivon’ny Banky iraisam-pirenena. Na eo aza ny fitombo­an’ny fahantrana an-ta­nàn-dehibe, mbola ambony lavitra izany any ambanivohitra sy any amin’ny faritra. Miaina ao anaty fahantrana lalina ny faritra Atsimo, toy ny any Androy raha toa ka ambany izany any amin’ny tapany avaratra. “Mampiho­dina ny toekarena any an-toerana sy mampidi-bola ho an’ny mponina ny sehatry ny fizahantany sy ny lavanila”, hoy ny fanazavan’ny tale je­neralin’ny Ivontoerana nasionaly mi­sahana ny antontan’isa (Instat), Ndremitsara Tarzan. Mitarika fahantrana ho an’ny mponina ao amin’ny faritra Atsimo Atsinanana koa ny fandalovan’ny rivodoza matetika izay mazana manimba ny fiharian’isan-tokantrano.
Lafiny maha olona

Mahantra ny firenena toa an’i Madagasikara izay mbola miankindoha amin’ny fambolena sy ny fiompiana. Lasiba­tra ny eny amin’ny tontolo ambanivohitra, indrindra ireo ankizy sy tovovavy. Ity farany izay miditra amin’ny fanambadiana aloha loatra. Ny ampahefatry ny tovovavy no miteraka aloha loatra ka mampitondra sahady ny vesatry ny fahantrany ho an’ny taranany. “Noho izany, ilaina ny fanabeazana ara-nofo hisorohana izany”, hoy ny talen’ny Instat. Mila jerena ny lafiny maha olona sy ny tontolon’ny asa, hisorohana ny rojom-pahantrana ka ahafahan’ny tsirairay manatsara ny fivelomany sy ny toekareny.

Henintsoa Hani

Partager sur: