Maherin’ny 30 000 t ny tahirim-bary nafarana ao Toamasina, hiatrehana ny maitsoahitra. Milanja 25 000 t ireo tahiry ao amin’ny toeram-panatobian’
entan’ny mpandraharaha ara-barotra, raha toa ka eny amin’ny seranan-tsambo kosa ny 7 000 t. Tsy atahorana ny tsy fahampiana eny an-tsena, mandritra io vanim-potoana io.
Vonona hanome tanana ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana ny orinasa PROCHIMAD mahakasika ny fametrahana ny ozinina mpamokatra zezika eto Madagasikara. Fantatra amin’ny famokarana zezika sy manafatra fanafody hiarovana ny voly ary mitsinjara izany eny anivon’ny mpamokatra ny orinasa PROCHIMAD.
Hahafahana mandrafitra lisitry ny raharaha ho halalahana ara-barotra ny fakan-kevitra nasionalin’ny varo-draharaha. Ao koa ny fanampahan-kevitra mba hahazoan’ny firenena tombontsoa isaky ny seha-pihariana. Samy nandray anjara, nandritra ity atrikasa ity, ny seha-pihariana ara-baro-draharaha maro.
Hiara-hiasa amin’ny fitondram-panjakana ny Orinasa Madagascar Oil amin’ny famokarana sy fanodinana menaka mavesatra eto amin’ny firenena. Ho jerena manokana ny hametrahana ny ivom-pikarohana ara-pamokarana eo anivon’ny faritra hiasana mba hampaharitra ny tetikasa ho lovain’ny taranaka.