TSELATRA

Raikitra indray ny fifampikasihan-tanana na­taon’ ny samy mpino teo anivon’ny fiangonana Jesosy Mamonjy Tsarahonenana, omaly atoandro. Tsy fifankahazoana eo amin’ireo mpino izay nizara ho ankolafy roa miangona amin’io toeram-pivavahana io no nitarika ny sakoroka.

Olona 50 hiakatra fampanoavana anio. Tafa­verina amin’ny mpitandro filaminana ilay fitaovam-piadiana « pistolet MAT 49 » very nateraky ny sakoroka na­taon’ny fokonolona tao Ankazomiriotra, araka ny fanazavan’ny kaomandin’ny vondron-tobim-paritra Vakinan­kara­tra, omaly. Karohina ireo fitaovana sasany mbola tsy hita.

Jiolahy folo lahy nitondra antsy nandratra olona roa tao Tanandava Toamasina, afakomaly. Nikasa handroba izy ireo saingy voasakan’ilay mpivarotra mandehandeha. Olona iray saika hanavotra sy ilay lasibatra no naratra. Nandositra avokoa ireo olon-dratsy.

Ankizivavy 11 taona karohin’ny fianakaviany taorian’ny tsy fahitana azy tampoka teny Itaosy, omaly. Nirava avy nianatra atoandro io ankizy io no tsy hitan’ny ray aman-dreniny intsony.

Mpangarom-paosy iray niharan’ny fitsaram-bahoaka tao amin’ny Bazar Be Toamasina, omaly. Nodarodarohan’ny fokonolona nahasambotra azy io lehilahy io. Telefaonina no nokasainy hoentina handositra. Natolotra ny mpitandro filaminana taorian’izay.

Partager sur: