Antohomadinika IVO : mpangalatra moto voasambotra

Tra-tehaky ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny CSP4 ny lehilahy iray mpangalatra moto tetsy Antohoma­dinika IVO, afakomaly. Naha­ray fampahafantarana avy amin’ny vehivavy iray ny polisy fa very nisy nangalatra tao amin’ny faritry ny ANS Am­pefiloha ilay kodiaran-droa nandritra ny fankalazana ny hetsiky ny skoto. Marika Yamaha io moto io ka nalain’ny olon-dratsy tamin’ny 11 ora atoandro. Nanao fisafoana ny toerana nahina hitondran’ny mpangalatra io moto io avy hatrany ireo mpitandro filaminana. Voasambotra teo am-panosehana ilay moto ny lehilahy iray teny amin’ny faritra Antohomadinika. Tsy afa-nandositra ka noraisim-potsiny ity farany. Nokasainy hamidy antsokosoko ity moto avy nangalariny ity. Monina eny Mandroseza izy, araka ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro filaminana. Tsiahivina, lehilahy iray hafa mpangalatra moto voasambotry ny polisy tetsy Tsiadana, ny 31 febroary teo. Nisy GPS ny moto nangalariny ka noraisim-potsiny koa io olon-dratsy io. Efa naiditra am-ponja izy taorian’ny fampanoavana. Mitohy ny famongoran’ny polisim-pirenena ireo jiolahy mpangalatra moto eto an-drenivohitra.

Tsiferana R.

Partager sur: