Raha tsy teo ny fahiny… : very fototra ny ankehitriny

Ho an’ny ankehitriny, nankaiza ny mpamorona? Eo amin’ny hira no tena misongadina be ny famerenana. Tsy ratsy akory ny mampahatsiahy ny taloha, saingy, mety tsy hampandroso raha tafahoatra loatra. Manomboka hita taratra mihamitombo andro aman’alina ny tarika na ny mpihira mamerina ny sanganasan’ny teo aloha. Ny manara-dalàna na tsia, an’ny tsirairay iny. Fa, mety ho tratra ao anatin’ny famerenana ny vitan’ny teo aloha ve ny fivelaran’ny talenta sy ny zavakanto iray?
Na izany aza, anisan’ny tombontsoa lehibe ho an’ny tontolon’ny zavakanto, azo avy amin’ny famerenana, ny fahaiza-mitana ny fototra. Arakaraka ny mampitombo isa ny mpamerina ihany koa anefa no ahatarafana fa miova tsikelikely io fototra io. Tsy vitsy amin’ireo mamerina ny hiran’ny tarika Ny Antsaly, ohatra, no mandiso tononkira. Manova ny feo faran-teny, sns.
… Raha hamerina ihany, aleo tazonina ny fototra. Raha hitazona ny fototra, mila velarina sy ampitomboina amin’ny famoronana izy ireny !

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: