Nanomboka tamin’ity herinandro ity, tao amin’ny Tranompokonolona Ankorondrano Andrefana, ny fizarana tohanaina andiany voalohany ho an’ireo fokontany miisa 5. Ireo olona nifanome tanana tamin’ny asa fanadiovana ny lakandrano Andriantany sy C3 ary ny lakandrano eny anivon’ny fokontany, boriborintany fahatelo, no nisitraka izany.
Vita omaly ny famindram-pitantanana teo amin’ny talen’ny valanjavaboahary Tsimbazaza teo aloha, Rtoa Bezandry Annie, sy ny tale vaovao, Letsara Rokiman. Tafiditra amin’ny fanatsarana ny politikam-pitantanana ao anivon’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa ny fampiharana ny fanendrena.
Mitohy anio ny hetsika fizaham-pahasalamana maimaimpoana tanterahina amin’ireo hopitaly lehibe manerana ny Nosy. Ankoatra ny aretina ankapobeny dia misy ny fijerena ny tosidra, ny fandidiana hernie ho an’ny zazakely… Eo koa ny fandidiana sima, fanomezan-dra, fampisafoana ireo reny bevohoka, fandraisana an-tanana ireo mivadi-tongotra…