VAOVAO TAMBATRA

Mitentina 570 dolara ny vidim-bary iray taonina eo amin’ny tsena iraisam-pirenena, raha toa ka 342 dolara izany tamin’ny taon-dasa. Hiantraika eto amin’ny tsena anatiny ity vidim-bary ity. Ankehitriny vidina 136 000Ar ny gonim-bary 50 kilao. Mbola betsaka kosa ny tahirim-bary eny an-tsena sy hiatrehina ny maitsoahitra.

Hitondra paikady dimy hampandrosoana ny tontolo ambanivohitra ny fikambanana Tosika-Tontolo sy kajy. Toy ny fomba fambolena mitandro ny fiasan’ny rohivoahary, ny fanajariana ny tany mitandro ny fiarovana ny tany sy ny famokarana, ny fambolen-kazo. Eo koa ny fampiasana ny teknolojia harifomba ary ny fanatsarana ny fidiram-bolan’ny tantsaha.

Nigadona ao Antsiranana ny vary gasy 54 taonina izay hamidy 950 Ar/kapoaka. Haparitaka eny amin’ireo tsena anatiny ny vary, ho fitsinjovana ny mpanjifa amin’izao vanim-potoanan’ny maitsoahitra izao. Miara-miasa manatanteraka izany ny orinasa State Procurement of Madagascar (SPM) sy ny fitantanam-paritry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra (DRIC) DIANA.

Nisitraka milina mpanodina voanjo ho lasa menaka sy orinasa hamokatra “pâtes alimentaires” ny faritra Itasy, tamin’ny alalan’ny tetikasa ODOF. Tanjona ny hampiroboroboana ny famokarana eto Madagasikara sy hanenana ny fanafarana entana, indrindra ho fanampiana ny tantsaha amin’ny seha-pamokarany.

Partager sur: