Nigadona eto Madagasikara, ny 15 febroary teo, ireo mpilatsaka an-tsitrapo japoney miisa dimy. Ny iray amin’izy ireo, hiara-hiasa amin’ny federasiona malagasin’ny taranja «Ping-pong». Haharitra roa taona eo ny asan’izy ireo eto an-toerana. Tsiahivina fa ny ekipa malagasy dia niatrika ny Mondial, lalao iaraisana, tamin’ ity taranja ity.
Hifanandrina amin’ny ekipan’ny Olympique de Marseille France ny Villareal Espagne, ny 7 marsa ho avy izao. Lalao tafiditra amin’ny ampahavalon-dalan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa «Europa League». Tsiahivina fa nosoloina an’i Jean Louis Gasset, mpanazatran’i Côte d’Ivoire teo aloha, ny mpanazatran’ny Marseille.
Tontosa omaly zoma, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fizaram-bondrona amin’ny fifaninanana CCZone 7 (Championnat des Clubs Zone 7), taranja Volley. Nozaraina vondrona 4 avy ny ekipa lahy sy vavy, ka misy ireo klioba malagasy iray vondrona.
Hiditra amin’ny lalao faharoa anio, ny ekipa malagasy miatrika ny fifaninanana “Phygital Basketball-Game of the Future”, taranja basikety 3×3, tanterahina any Kazan Russie. Tsiahivina, fa resin’ny Paris Digital tamin’ny isa 37 no ho 22 ny ekipan’Antananarivo, ny alakamisy lasa teo.