Hotanterahina any Nosy-Be ny Trail, ny asabotsy 10 desambra ho avy izao ny Trail andiany faha-10. Anisan’ireo, handray anjara amin’izany, ny mpanao gazety amin’ny alalan’i Alfred Razafintsalama, avy amin’ny Aceem Radio sy i Manjato Razafy, pampahalala vaovaon’ny Midi Madagascar. Raha tsiahivina, fanintelony amin’izao, i Fred no hifaninanana amin’ity (2019, 2020, 2022) ary hazakazaka fahefatra ataony amin’ity taona ity. 10 taona ny traikefany amin’ity fifaninanana ity.
Fandraisana anjara voalohany kosa ny an’i Manjato, ary hazakazaka faharoa amin’ ity taona ity taorian’ny Utop farany teo. Tsiahivina fa Randomada ny mpikarakara, ity fifaninanana anaty natiora ity, izay hamaranana ny taona. Manolotra fisaorana, ho an’ny UTOP ny fikambanana UJSM (Union des Journalistes Sportifs de Madagascar), hiantoka ny saran-dalan’izy mirahalahy, hiatrehana ity fihaonana goavana ity. Tsiahivina fa efa fanao isan-taona ny Nosy-Be Trail, izay handraisan’ireo mpifaninana avy amin’ny firenena samihafa, toa ry zareo avy any Eoropa sy ireo atsy amin’ny Nosy rahavavy.
Mahatratra 35 km ny halavirana miampy ireo fidinana sy fiakarana mirefy 2400 m. Eo amin’ny Hotel Le Grand Bleu, ny fiaingana sy ny fahatongavana. Hotetezin’ireo mpifaninana ireo toerana mampiavaka an’i Nosy-Be.
Samy manatanteraka ny hazakazaka amin’ny fahaizany avy ny tsirairay. Na izany aza, ilaina ny fitandremana amin’ny tendrombohitra.
Tompondaka