Taorian’ny fihintsanan’i Belzika. Nanambara i Eden Hazard, mpilalao an’i Belzika, omaly tao anaty tambajotran-tserasera fa handeha hisotro ronono amin’ny ekipam-pirenena ny tenany. Ny fahitana ireo zandry kely vao misondrotra maro ka hanomezana sehatra azy ireo,no nahatonga azy handray izao fanampahan-kevitra izao.
31 taona i Hazard, ary milalao ao amin’ny ekipa espaniola Real de Madrid. “Hiova pejy vaovao ny fiainako, manomboka androany….Ny mpandimby efa vonona. Misaotra betsaka anareo aho. Manina anareo sahady aho” hoy izy.
Tsiahivina fa, tamin’ny faha-17 taonany no nanomboka nanao ekipam-pirenena i Hazard, baolina 33 no tafiditrany, ary 36 ny tolotra vitany.
Fitia (Mpianatra Asa)