56 mianadahy ny voasaringotra tamin’ny fandorana ny borigadin’Ankazomiriotra. Naiditra vonjimaika any am-ponja, afakomaly, ny 49 mianadahy. Efa nisy basy iray tafaverina.
Nitotaly 56 ny olona voasambotra sy nanaovana famotorana momba ny fandorana ny tobin’ny borigadin’ny zandary ao Ankazomiriotra, distrikan’i Mandoto. Niakatra fampanoavana izy ireo, afakomaly. Vokany, notanana vonjimaika ao amin’ny fonjan’Antsirabe ny 49 mianadahy ka zaza tsy ampy taona ny iray. Nahazo fahafahana vonjimaika ny 7 hafa. Anisany naverina am-ponja ilay tovolahy izay tokony mbola hamita sazy kanefa tao anatin’ireo nitarika ny andian’olona ho any amin’ny biraon’ny zandary, ny sabotsy 17 febroary.
Tsiahivina fa lasa lavenona ny moto sy ny fiaran’ny zandary. Nalain’ny fokonolona koa ny fitaovam-piadiana sasantsasany nandritra ny fandosiran’ny zandary, ny 17 febroary teo. Niroso tamin’ny fanadihadiana sy fisamborana ireo tompon’antoka ny mpitandro filaminana. Tao anatin’ny herinandro dia nahitam-bokany izany, nisy ny basy iray efa hita. Manginy fotsiny ireo naiditra am-ponja.
Gadra nandositra?
Anisan’ny teboka iray tsy maintsy ilana fanadihadiana lalina ny mahakasika ilay gadra, afaka niriaria ka nandoro sy nandroba biraon’ny zandary. Andrasana ny fivoaran’ny famotorana satria tsy mbola voamarina na gadra nitsoaka izy na niniana navoaka. Andrasana ny fanazavan’ny tomponandraikitra mifandraika amin’izany.
Raha tsiahivina, fisamborana lehilahy iray, efa malaza ratsy amin’ny asan-dahalo, maty voatifitry ny zandary no nampipoaka ny raharaha tao Ankazomiriotra. Nikasa hamaly faty ny zandary ny fokonolona. Niafara tamin’izao fanafihana sy fandrobana ny borigady izao.
Tsiferana R.