Matin’ny daroka nataon’ny fokonolona nahasambotra azy ny jiolahy iray tratra teny Tsilazaina, kaominina Ambohijanaka, ny alin’ny zoma 23 febroary teo. Nanao fanafihana mitam-piadiana tao amin’io fokontany io ny jiolahy miisa dimy. Nitondra fitaovam-piadiana mahery vaika izy ireo.
Nifarimbona sy nifanome tanana ny fokonolona sy ny mpitandro filaminana nanakana ny asa ratsy nokasain’izy ireo hatao. Vokany, voasambotra ny iray tamin’ireo mpandroba. Niharan’ny daroka sy vono izy ka naratra mafy. Tsy tana ny ainy taorian’izay. Latsaka teny aminy ny basy sy moara fampiasany.
Tsiferana R.