Fanatsarana ny fomba fiasan’ny fitsarana: napetraka ny Tranonkala hitarainan’ny vahoaka

Nitondra fanazavana momba ny fanatsarana ny fomba fiasa ny minisitry ny Fitsarana, Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana, teny Faravohitra, omaly. Anisan’izany ny fahazoana mita­raina, ho an’ireo manan-draharaha eny amin’ny fitsarana.

“Hamaliana ny fitarainana io Tranonkala, www.fitsarana-valio-tarainako.mg io ho an’ireo manan-draharaha eo anivon’ny fitsarana”, hoy ny minisitra. Nambarany fa anisan’ny laharam-pahamehana ny fa­me­trahana ny fanjakana tsara tantana. Ao anatin’izany ny mangarahara sy ny ady amin’ny kolikoly. Hiantoka ny fitantanana ny fitsarana azo itokisana sy manana fahamendrehana sy manaja ny zon’olombelona ny tanjona. Niaiky ny tenany fa voakiana matetika ny fitantanana ny fitsarana noho ny tsy fisian’ny mangarahara ka hohamafisina ny hetsika fanentanana momba ny lalàna sy ny fomba fiasa. “Ani­san’izany ny fanavaozana ny sampandraharaham-panjakana eo anivon’ny fitsarana, amin’ny alalan’ny fampisana ny haitao ara-kajy mirindra. Efa nanomboka koa isika amin’ny fampiasana boky fanaraha-maso ny raharaham-pitsarana ho an’ny eto Antanana­rivo, handalana ny mangaraharaha”, hoy izy. Nanteriny fa “dingana iray mankany amin’ny mangarahara sy famerenana ny fitokisan’ny vahoaka ny fitsarana izao.
Fitsaram-bahoaka sy ny fanolanana

Etsy andaniny, nambarany fa ny lalàna ihany no tokony hampiharina manoloana ny fi­tsaram-bahoaka. Efa nentanina koa ny vahoaka mba hanatona ny fitsarana hitsarana ny raharaha.
Namaly ny tsikera samihafa momba ny sazy manoloana ny fanolanana koa ny minisitra. Nambarany fa ilaina ny fanitsiana ny lalàna mba ho mafimafy kokoa ny sazy. “Manana ny fiandrianany ny firenentsika ka manana fahefana ny fitsarana hanamafy ny fisakanana ny tranga fanolanana amin’ny alalan’ny famosirana ary fanamafisana ny sazy, arakaraka ny voina mihatra”, hoy izy.

Synèse R.

Partager sur: