Lasa tandra vadin-koditra

 

Milamina sy mangingina hafahafa izany ilay andavanandron-dRamalagasy, indrindra ny eto an-drenivohitra. Toa tsy misy ny olana fa mizotra tsimoramora eny ilay fiainana. Efa mionona amin’izay miseho na tsy manjary aza ny ankabeazan’ny olona! Zary fahazarana ny miaina anaty zava-dratsy. Izay tsy manaraka ny onjany no toa hafahafa sy voailika.
Mampahonena ny mahita ny mpiray tanàna mifamotika noho ny fikatsahana izany tombony kely ho azy samy irery izany. Tsy misy mitsinjo ny soa iombonana sy izay ho an’ny besinimaro. Tsy mahagaga, mirongatra izaitsizy ny hala-boty eny anaty tanàna. Isan-kalina, misy mitsambikina anaty fefin-dranona, mangorona izay azo raofina, afaka havadika vola. Mahazo vahana ny fanafihana mitam-basy sy ny vaky trano. Miverina ny halatra omby, mitohy ny fakana an-keriny any ambanivohitra.
Tsy vitan’izay, tena mahavaky fo sy mampisendaotra ny fitaka, fisolokiana noho ny fitiavam-bola. Manom­boka hatreny amin’ny mpangataka aza no efa mahita “fikafika” hitsetsefana ny mpihantra azy. Mahasahy mihantsy sy mandrahona mihitsy raha vao tsy mahazo. Hatrany anatin’ny fiara fitateram-bahoaka miaraka amin’ny fandraikiraikena hafahafa.
Izay rehetra haleha dia ahitan-draha malotoloto hatrany. Mitovy amin’ilay fahavoretran’ny tanàna ihany ny ankamaroan’ny fomba fisainan’ny olona, ankehi­triny. Mitady hirika hamelezana sy hisomparana ny hafa hatrany. Mikely aina mihitsy mba hahazoana izay azo alaina amin’ny mpiara-belona.
Tsy mifidy sokajy na satam-piarahamonina ny fa­nambakana. Tsy ankalamanjana ihany fa hatrany amin’ny biraom-panjakana. Zary mahazatra sy fomba tsy mamohehatra, ary tsy mahamenatra intsony ny fanerena olona hamoaka vola any am-paosiny. Tafa­hoatra ny zava-misy…saingy tsy ahitam-bahaolana haingana izany. Zary tandra vadin-koditra!

r.r

Partager sur: