Ady amin’ny lefakozatra: distrika telo nandefasana vaksiny

Nihaona tamin’ny mpitondra fanjakana malagasy ny delegasiona avy amin’ny Global Polio Eradication Initiative, ny herinandro lasa teo. Nidinika tamin’ny OMS Madagascar sy ny Firenena mikambana eto Madagasikara ary ireo mpiara-miombon’antoka rehetra amin’ny fanaovana vaksiny izy ireo. Miompana amin’ny fanasongadinana ny anjara asan’ny vaksiny amin’ny ady amin’ny lefakozatra, ny fampiroboroboana ny fanentanana sy fanamafisana ny fanaovam-baksiny ny fitsidihany eto Madagasikara. Tanjona ny hiarovana ny zaza malagasy sy hamongorana tanteraka ny lefakozatra eto amin’ny firenena.
Ny faran’ny herinandro teo, nisy fandefasana vaksiny polio sy vaksiny hafa milanja 1t any amin’ny distrika 3 saro-dalana, any avaratra atsinanan’ny Nosy: Mananara-Avaratra, Maroantsetra ary Sainte-Marie. Tafiditra ao anatin’ny Hetsika famongorana ny lefakozatra maneran-tany ary ho fitsinjovana ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza ny asa. Nanampy, tamin’ izany, ny UNHAS, hoy ny fampitam-baovao azo.
Nidinika tamin’ny sehatra tsy miankina sy ny sekoly tsy miankina koa ny delegasiona satria manana andraikitra amin’ ny famongorana ny lefakozatra eto amin’ny Nosy izy ireo.

Vonjy

Partager sur: