Mpianatry ny ENS 826 : horaisina ho mpiasam-panjakana

Nampanantena ny fitondram-panjakana fa horaisina mpiasam-panjakana avokoa ireo mpampianatra manana ny mari-pahaizana Mapen sy Capen nivoaka avy ao amin’ny Ecole Normale Superieur (ENS). Nohamafisin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena tamin’ny alalan’ny naoty izay nivoaka ny alatsinainy lasa teo izany. Araka ny fanazavana nentin’ny tale misahana ny maha olona eo anivon’ny minisiteran’ny Fana­bea­zam-pirenena, « miankina amin’ny filan’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena no andraisana ireo izay manana ny mari-pahaizana Lapen. Ho an’ity taona ity, 338 ho an’ireo manana Capen, 288 ho an’ireo manana Mapen, miisa 200 kosa ireo manana ny mari-pahaizana Lapen raisina ho mpiasam-panjakana ». Mitotaly 826 ny isan’izy ireo, izay hotsinjaraina manerana ny Nosy. Eny anivon’ny Lycée no hampianatra ireto mpampianatra nivoaka avy amin’ny ENS ireto.
Nanao hetsika fanehoana tsy fahafaliana ny mpianatry ny ENS nanomboka ny talata teo fa vitsy loatra raha mitaha amin’ny isan’ny olona manana ireo diplaoma ireo ka nandefa fangatahana horaisina mpiasam-panjakana no voaray. Mahatratra 1500 ireo naneho fahavononana ka nametraka antontan-taratasy fangatahana ka 826 no voaray. Takin’ny mpianatra mitokona koa ny hamoahana ilay décret manambara fa hatao laharam-pahamehana ny mpianatra nivoaka amin’ny ENS rehefa handray mpiasam-panjakana avy amin’ny poste budgétaire ny minisiteran’ny Fanabea­zam-pirenena.

Vonjy A.

Partager sur: