Amboasary Atsimo : afaka madiodio ny mpaka an-keriny zaza varira

Nomen’ny fitsarana fahafahana madiodio ny mpaka an-keriny zaza varira ary afaka mirenireny sy mandrahona indray ny fianakavian’ilay zaza, amin’izao fotoana, ao Amboasary. Mivarahon­tsana, araka izany, ireo fianakaviana satria anaovan’ireo mpaka an-keriny ireo rahon-teny.
Raha tsiahivina, nisy naka an-keriny i Maka Tsitosehy, zazalahikely varira vao herintaona sy valo volana monja, monina ao amin’ny kaominina Sampona, distrinkan’ Amboasary Atsimo, ny volana jolay teo. Tratran’ny zandary ireo efa-dahy nanao izany fakana an-keriny izany ary efa natolotra ny fitsarana.
Gaga anefa ireo fianakaviana fa afaka madiodio ireo mpaka an-keriny ireo amin’izao fotoana ary miverina eo amin’ny fiaraha-monina sady mirehareha fa afaka ihany izy ireo na ho inona na ho inona nataon’ny fianakavian’ilay zaza.
Mahatsiaro ho tandindomin-doza, araka izany, ireo fianakaviana sy ny fiarahamonina manoloana ny zava-misy. Marihina fa avotra ihany ny ain’ilay zaza nalaina an-keriny na dia nogiazana tanaty gony nandritra ny roa andro aza izy, tsy nihinan-kanina, tsy niseho masoandro ary niforitra tao.
Mitaintaina ny fianakavian’ilay zaza amin’ny mety hafitsok’ireo olon-dratsy mpaka an-keriny amin’izao fotoana. Manao antso avo moa ny filohan’ny fikambanana varira eto Madagasikara ny hijerena akaiky ny raharaha.

Tatiana A

Partager sur: