Mahoraka ny famonoana olona ankitsirano, tsy mandalo fitsarana ataon’ny mpitandro filaminana. Samy hisehoan’izany na ambanivohitra na ny an-tanàn-dehibe. Tsy mifidy lasibatra io fa na olon-tsotra na samy mpitandro filaminana aza. Izay maty dia maty tsy misy tohiny. Toa zary voadingana ny resaka zon’olombelona hahazo fitsarana ara-drariny.
Betsaka ny fanazavana sy ny ady hevitra mahakasika izany. Iaraha-mahalala anefa fa maro koa ny olona tsy manantsiny mizaka ny ziogan’ny tsindrihazolena ataon’ny olon-dratsy. Koa tsy rariny ve raha fahafatesana avy hatrany no sahaza azy ireo? Ny mamoy havana tsy fidiny, ny rava fananana amin’ny fotoana tsy ampoizina, ary indrindra ny zaza amam-behivavy voavetaveta ka mitondra takaitra mandra-maty ve dia ho tazanim-potsiny.
Tsy misy afaka ny hitompo teny fantatra rahateo hoe hisazy izy ireny raha mandalo fitsarana. Zava-misy sy tsy takona afenina fa anisan’ny sehatra iray, tena anjakan’ny kolikoly ny fitsarana sy ny mpitandro filaminana. Misy mihitsy aza ny mpiasa amin’izany sehatra izany no maty fanahy. Misy ny lany henatra, mahasahy mamadika ny mainty ho fotsy. Vola fô mikoragna!
Mivadika tanteraka ny fiainana! Izay manao ny tsara sy mandeha mahitsy indray no ratsy endrika amin’ny fiarahamonina. Izay fetsifetsy sy tiakely no indraindraina sy homen-danja. Manomboka any anaty rafi-panjakana izany, hatreny amin’ny vahoaka tsimandadiharona. Tsy mahagaga raha misy ny fifampiandrasana kendry tohina fotsiny. Na olona tokony ho iray vatsy iray aina aza, mifandefona ivoho.
Milokaloka fandrosoana sy fampandrosoana ny fitondram-panjakana. Mampanantena vokatra azo tsapain-tanana kanefa hatreto tsy hita aloha izay tena vokany. Miha milentika andro aman’alina aza ilay firenena. Mila fandinihana lalina !
r.r