Fiatrehana fifidianana : manohy tolona iarahana ny MMM

Nambaran’ny filoha nasionalin’ny antoko Malagasy miara-miainga, Andrianai­narivelo Hajo, fa vonona handray anjara hatrany amin’ny fifidianana rehetra izy ireo. Tahaka ny efa nataony hatramin’ny nijoroan’ity antoko ity. “Asa andavanandron’ny antoko politika izany ary tsy zava-baovao… Misy koa anefa ny fandaminana amin’ny fiarahana eo anivon’ny Kolektifa an’ny Malagasy amin’ny fifidianana depiote ho fanohizana ny tolona niarahana tamin’ ny vahoaka”, hoy izy teny Manandriana, distrika Avara­drano, ny herinandro teo. Tsy miova ny antoko na mifamahofaho aza ny toe-draharaha politika, araka ny nambarany. Nohamafisina tamin’ny fivori­an’ny birao politika, niarahana tamin’ireo mpandrindram-paritra manerana ny Nosy, ta­min’io fotoana io koa, fa tsy mivaona amin’ny fametrahana ny tany tan-dalàna sy ny fampandrosoana iombonana ny MMM.
Teny nomena sy nifanarahana tamin’ny vahoaka

Tsy vitan’izany fa mitondra soso-kevitra hatrany ho amin’ ny fanatsarana ny fiainam-bahoaka. Ezahina tanterahina ny teny nomena sy nifanarahana tamin’ny vahoaka ary iombonana ny ezaka hahatonga ny firenena ho tsaratsara kokoa, araka ny nambarany hatrany. “Mitazona hatrany ny hevitsika sy ny efa nifampitaizana eo anivon’ny antoko isika”, hoy ihany izy.
Tsiahivina fa namboly hazo maherin’ny 1 000 teny Manandriana ny MMM, tao­rian’ny fivorian’ny birao politika, ho fanamafisana ny efa nataon’izy ireo hatramin’izay.

Synèse R.

Partager sur: