Gender Links : Ankasitrahana ny fomba fiasa tsara

Hifarana anio ny fandefasana fandraisana anjara amin’ny fihaonambe an-tampony karakarain’ny Gender Links izay hatao ny 14 sy 15 desambra izao eto Antananarivo. Mikendry fomba fiasa tsara, indrindra amin’ireto lafiny maro ny fihaonambe an-tampony : asa fandraharahana natokana ho an’ireo vehivavy mpisitraka ny fanofanana « sunrise » izay nosahanin’ny Gender Links ho an’ny andiany 2021-2022. Faharoa ny fitantanana ifotony misokatra ho an’ireo kaominina ivontoerana mendrika 16 nandray anjara manao dingana fanavaozana drafitrasa, Ambo­vombe, Ando­hara­nomaitso, Anjoman’Ankona, Anjozo­robe, Anosimena, An­ta­na­mi­tarana, Bongatsara, Tao­la­gnaro, Foulpointe, Ma­ha­janga, Maintirano, Man­jakandriana, Moramanga, Sa­botsy Namehana, Toamasina I sy Toliara I. Fahatelo ny mpitarika mitondra fanovana ka mikendry ireo mpisehatra anatin’ny fampiroboroboana ny miralenta eny anivon’ireo kaominina. Fahefatra farany ny natokana ho an’ny haino vaky jery ahitana ireo mpanao gazety nandefa sanganasa mikasika ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy na maha vavy.

Vonjy

Partager sur: