Anatin’ny vanim-potoana hanomanana sy hiomanana amin’ny fifidianana ho solombavambahoaka ny Malagasy ankehitriny. Andaniny, amperinasa tanteraka ny mpikarakara toy ny birao mahaleo-tena momba ny fifidianana na ny Ceni. Efa mamaramparana ny mpamita lisi-pifidianana. Samy midehadeha kely eny amin’ny tambajotran-tserana toy ny facebook ny isam-paritra fa nahatomombana ny iraka nankinina taminy.
Ankilan’izany, iaraha-miaina ny adilahin’ny samy mpanao politika. Tsy ny mpanohana fitondrana ihany no miady toerana ho loha-lisitra amin’izay hisafidianana, fa tratran’ny aretina miady an-trano koa ny mpanohitra. Tsy vitan’ny ady sisika am-bava intsony, fa misy ny miafara amin’ny daka sy totohondry ary ny ompareny. Mampanongo-tena ny fifanalambaraka.
Ankoatra izay, zava-doza mikiky ny fiarahamonina any ambanivohitra ny fifamotehana ataon’ny samy te ho kandida. Misy ny mandatsaka aina, misy ny maniraka dahalo hanafika, misy ny mpianakavy mifamosavy. Tranga noheverina fa mahazatra any amin’ny tany lavitra andriana, kanefa rehefa nozohiana akaiky hay “aretina politika” mikiky tsikelikely. Maha-sanganehana tanteraka!
Ny sarababem-bahoaka izay handrasana hifidy sisa no heverina fa hanam-pahendrena, eto amin’ity firenena ity. Asa! Raha mba haneho safidy malalaka mifototra amin’ny fahaiza-manao, na mbola ho voambaka amin’ny vary indray mandrotsaka? Betsaka rahateo ny mpanao politika mbola zatra ny lalan-dririnina manambaka sy manabado ilay valalatsimandadiharona.
Ny mahavelombolo aloha hatreto dia ny fahitana fa mazoto kokoa ny mpifidy nandeha nanamarina ny anarany sy nampiditra ny anarany ao anatin’ny lisitra eny amin’ny fokontany. Na izany aza, ny olona hisafidianana no manahirana: ny teo ihany no miverina!
r.r