Anisan’ireo hiatrika ny fihaonana an-tampony “Forum diplomatique d’Antalya”, hatao any Torkia ny filoha Rajoelina Andry. Hotanterahina manomboka ny 1 marsa izao hatramin’ny 4 marsa izany.
Anisan’ny mikarakara sy manomana izany ny eo anivon’ny governemanta Tiorka ary tafiditra amin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa ara-toekarena sy ny lafiny diplaomatika amin’ireo firenena afrikana. Maherin’ny 20 ireo filoham-panjakana sy lehiben’ny governemanta voaasa hanatrika izany fihaonana izany ka anisany ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. Eo koa ireo minisitry ny Raharaham-bahiny maherin’ny 60, anisan’ny mandray anjara amin’izany.
Fihaonana amin’ny filohan’i Torkia
Fotoana koa izao fivoriana izao hanamafisana ny fiaraha-miasa amin’i Torkia. Fa eo koa ny fikatsahana amin’ny fisarihana ireo mpandraharaha Tiorka hampiasa ny volany eto Madagasikara.
Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoan’ny Malagasy delegasionina ny ho fihaonan’ny filoha Rajoelina Andry amin’ny filohan’i Torikia, Erdogan. Manampy izany, ny ho fihaonana miaraka amin’
ireo mpandraharaha lehibe any amin’ity firenena ity. Hiompana tanteraka amin’ny fifanakalozana eo amin’ny toekarena sy ny fiaraha-miasa momba izany ary koa ny fifandraisana ara-diplaomatika ny dia any an-toerana.
Drafitra fampandrosoana
Mila hamafisina, araka izany, ny fitadiavana fiaraha-miasa amin’ny fanatanterahana ireo tetikasa goavana ao anatin’ny drafitra fampivoarana an’i Madagasikara, izay tanjon’ny fiatrehana izao fihaonana izao. Anisan’ny hojerena ohatra ny momba ny fanatanterahana ny tetikasa Tanamasoandro, ny Fly Over sy ireo fanamboarana fotodrafitrasa toy ny lalana… Eo koa anefa ny lafiny fandraharahana eo amin’ny ara-barotra.
Tsiahivina fa nanomboka tamin’ny taona 2021 ny andiany voalohany amin’ity fihaonana ity ary miditra aminy andiany fahatelo ny “Forum diplomatique d’Antalya” amin’ity taona 2024 ity.
Synèse R.