Kaominina Antananarivo Renivohitra: Voatendry ho PDS Ramanambintana Richard

Novakin’ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Atitany, Razafiarison Jean, tetsy Anosy, omaly, ny didim-pitondrana manendry ny Filohan’ny delegasiona manokana (PDS), ho an’Antananarivo Renivohitra. Voatendry amin’izany toerana izany, Ramanambintana Richard.

Niainga amin’ny fahabangan-toerana, taorian’ny naha voatendry ny ben’ny Tanàna teo aloha, Andriantsitohaina Naina, lasa minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany izao fanendrena izao. “Tsy handraraka ilo mby an-doha amin’izao andraikitra horaisina izao sy ny fahatokisana napetraky ny filoha Rajoelina Andry aho. Hieza­ka hiara-kiasa amin’ireo eo anivon’ny CUA sy ny vahoakan’ Antananarivo”, hoy ny PDS vaovao. Nampanan­tena ny tenany fa hanohy sy ha­natsara ireo asa nataon’ny ben’ny Tanàna teo aloha. Hanarina an’Antananarivo, araka ny nambarany. Mi­andrandra ny fiaraha-miasa amin’ny fanjakana sy ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny minisiteran’ny Ati­ta­ny ny tenany.
Etsy andaniny, niarahaba sy nitsodrano azy amin’izao andraikitra ho raisin’ny PDS izao ny minisitra, Andriantsito­­haina Naina. Nambarany fa tsy ho diso fanantenana ny Renivohitra na efa kamboty nandritra ny fotoana vitsy aza. “Efa manana ray aman-dreny isika izao hamerina ny hasin’ Antana­na­­rivo sy hanohy ireo asa efa natao”, hoy izy. Nampanan­tena ny tenany fa ho eo hatrany amin’ny maha minisitra mpiahy ny vondrom-paritra itsinjaram-pahefana azy. Notsiahiviny rahateo fa efa niara-niasa taminy, fony izy ben’ny Tanàna ity PDS vao notendrena ity. Hahavita hamaha ireo olana samihafa eto an-dRenivohitra, toy ny fako sy ny lalana ary koa ny sosialim-bahoaka.

Synèse R.

Loholona amperinasa, Ramanambintana Richard nialoha izao fanendrena izao. Efa talen’ny serasera sy ny fifandraisana amin’ny Andrimpanjakana (CUA) ny taona 2020. Manampa­haizana momba ny fitantanana sy ny toekarena ary niofana momba ny haitarika. Filohan’ny Ifi ary efa mpandrindra ny foibe (QG) Arena etsy Ivandry, ahitana ireo antoko sy vondrona politika tamin’ny fifidianana 2018 sy ny 2023.

Partager sur: