13 ny fiarabe nanainga omaly, misy fitaovam-pitsaboana, fitarafana any fanafody marobe miaraka amin’ny mpitsabo sy spécialiste samihafa, hanome tolotra fahasalamana manana kalitao ho an’ny vahoaka amin’ny faritra telo.
Andiany voalohany ny “caravane médicale Sarobidy ny aiko” ho an’ity taona ity ary hetsika manokana fanao isaky ny 8 marsa hanamarihina ny Andro iraisam-pirenena momba ny zon’ny vehivavy. Minisitera telo no mifarimbona amin’ ny fanatanterahana: minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, Filaminam-bahoaka ary ny Mponina sy ny firaisankina.
Omena lanja manokana mandritra ny fitsidihana koa ny fanentanana ny vehivavy hitoroka ny herisetra mahazo azy ao an-tokantrano. Misy ekipa avy amin’ny brigade féminine de proximité (BFP) handray an-tanana azy ireo sy hanoro hevitra miaraka amin’ny mpisehatra sosialin’ny minisiteran’ny Mponina. Tsapa fa maro ny herisetra miseho amin’ny endriny samihafa any ambanivohitra any ka tokony hanararaotra ny fandalovan’ny ekipa ny vehivavy hizara ny manjo azy, hoy ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, profesora Randriamanantany Zely Arivelo, omaly, teny amin’ny HJRA.
Nanomboka ny taona 2019 no nanatona vahoaka ny tolotra fitsaboana amin’ny hetsika “Sarobidy ny aiko” niarahana amin’ny fikambanana Fitia tarihin’ny vadin’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Mialy. Nitohy hatrany ny tolotra ka ny taona 2023, nahatratra 40 ny distrika nitondrana fitsaboana sy fitarafana. Fiara tokana no nanombohana ny fizarana tolotra tany am-piandohana fa noho ny fanohanan’ny mpiray ombon’antoka maro: Unicef, Unfpa, OMS nitombo ny toerana sy ny mpiasa nisehatra.
Hahazo tombony ny reny sy ny zaza
Hiompana amin’ny reny sy ny zaza ny tolotra mandritra ny fandalovana amin’ny faritra Atsinanana. Hisy ny fanaovam-baksiny mahazatra ho an’ny ankizy madinika, fitarafana samihafa hatramin’ny mammographie. Afaka manao fandidiana ihany koa ny dokotera miaraka amin’ny fitaovana. Ireo hizaha fahasalamana hahazo fanafody avy hatrany.
Hojerena manokana koa ny fahasalaman’ny nify sy ny ativava ka ho maimaimpoana ny fanalana nify izay tena manahirana ny vahoaka satria 25 000 ny sarany amin’ny andavanandro. Anatin’ny distrikan’i Moramanga, ao amin’ny kianjan’ Ambohibary no nijanonan’ny ekipa rehetra, omaly.
Vonjy A.