Namboly hazo teny Ambohijanaka ny ekipan’ny masoivoho amerikanina, tamin’ity herinandro ity. Zana-kazo zanatany miisa 1 500 no nambolena, fanampin’ireo hazo 2 000 efa nambolena tao anatin’ny roa taona lasa.
“Mamafy ny voan’ny fiovana sady mametraka lova tsara ho an’ny taranaka isika amin’ny hetsika tsotra toy izao fambolen-kazo izao. Sady manamaivana ny fiantraikan’ny fiovaovan’ny toetry ny andro no mampiseho ny fanoloran-tena hampihatra fomba fanao maharitra ny hetsika fambolen-kazo”, hoy i Stephanie Arnold, mpanolotsaina voalohan’ny masoivoho amerikanina.
Novidin’ny masoivoho tao amin’ny akany masera Ursuline, Sabotsy namehana, ireo zana-kazo ireo. Tanjona ny hanohanana azy ireo amin’ny fanabeazana ireo kamboty sy zaza miisa 45 tezainy.
Andiany fahatelo ny fambolen-kazo. Niarahana tamin’ ny Sandandrano ity natao ity. Hanampy amin’ny famatsiana rano fisotro madio sy fitarihan-drano ho an’ny voly ho tombontsoan’ny mponina maherin’ny 10 000 ao amin’ny kaominina Ambohijanaka ny fambolen-kazo.
Tatiana A