Ankatoky ny fanadinana: Sahirana ireo mpianatra amin’ny kaominina tsy misy dokoteram-panjakana

Misedra fahasahiranana ireo sekoly amin’ireo kaominina tsy manana dokoteram-panjakana eny anivon’ny CSBII. Tsy afaka manao fizaham-pahasalamana ireo mpianatra hiatrika ny fanadinam-panjakana.

Nandritra ny fifampiarahabana nahatratra ny taona nataon’ny distri­kan’Ambohidratrimo no nanaovan’ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny ny tatitra isan-karazany. Tamin’izany no na­hafantarana fa tsy manana dokotera ny CSBII ao amin’ny kaominina Ampangabe efa ho roa taona izao.
Manakaiky anefa ny fanadinam-panjakana ary efa tokony handeha ny fitiliana ara-pahasalamana ho an’ireo hiatrika fanadinana.
Tsy maintsy dokoteram-panjakana no afaka manao izany fizaham-pahasalamana izany ka lasa olana ho an’ny sekoly ny fanatanterahana azy.
Nanazava ny lehiben’ny dokotera ao amin’ny distrikan’ Ambohidratrimo, Rabenjamina Hobimanana, fa hifandraharaha amin’ireo dokoteram-panjakana eny amin’ny kaominina manodidina amin’ny fanatanterahana ny fizaham-pahasalamana atao amin’ireo ankizy hiatrika fanadinana.
Nampitony ny sain’ny ray aman-dreny sy ny mpianatra ny tenany mba tsy hitaintaina fa tsy maintsy hisy ny vahaolana amin’izany.
CSBII miisa 4 no tsy manana dokotera ao amin’ny distrikan’ Ambohidratrimo ary miteraka fahasahiranana ho an’ny mponina izany. Efa natao ny fangatahana isan’ambaratonga saingy miandry ny valiny, hoy ny tomponandraikitra.
Mahakasika ny areti-maso, efa mihena ny tranga ao amin’ny distrikan’Ambohidratrimo, raha ny tatitra avy amin’ireo CSB eny ifotony. Tsy mbola nahitana trangana Choléra ihany koa any an-toerana fa ny fisorohana no atao. Manana ny HTH ny ao amin’ny sampandraharahan’ny fahasalamana ao Ambohidratrimo. Ho an’ny fanaovam-baksiny, tsy voatery miandry hetsika faobe intsony fa efa tafiditra ao anatin’ny vaksiny afaka atao amin’ny fotoana rehetra ny vaksiny miaro amin’ny covid19.

Tatiana A

Partager sur: