Niova endrika tanteraka ny efitrano fampianarana sy fanamboarana sambo vita amin’ny hazo ao amin’ny Lycée technique professionnel (LTP) Morondava, faritra Menabe, noho ny fiaraha-mientan’ny mpianatra sy ny tanora ao anatin’ny fikambanana Io Renala. Narenina ny trano falafa teo aloha ary lasa trano biriky mitafo fanitso.
Nofaranana tamin’ity herinandro ity ny asa fanarenana ny fotodrafitrasa, tao anatin’ny fankalazana ny andron’ny ivontoeram-panofanana ho an’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa. “Mahavelom-panantenana ny fiaraha-mientana amin’ny tanora toy izao sy ny fikambanana miahy ny tanora”, hoy ny minisitra Rakotondrazafy Lalatiana, tamin’ny kabariny tany an-toerana.
Efa simba avokoa, tsy nisy fikarakarana ary mila fanavaozana sy fanarenana ny ankamaroan’ny fotodrafitrasan’ny sekoly fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa manerana ny Nosy. Nahitana fahasimbana goavana ity Lycée teknika ao Morondava ity ary nilana fanamboarana. Tao anatin’ny herinandro no nanaovana ny fanarenana sy ny asa fanatsarana rehetra. Nitondra fanavaozana tamin’ny sekoly iray manontolo ny hetsika «Tagnamaro, andron’ny olom-pirenena» natao tany Morondava, tao anatin’ny fankalazana ny andron’ny ivontoeram-panofanana.
Vonjy