13 amin’izao fotoana izao ny neurologue spécialiste miasa manerana ny Nosy. Ny mpitsabo ny aretina ankapobeny koa dia nahazo fiofanana momba ny « neurologie » nandritra ny fianarany ho mpitsabo ary afaka mandray an-tanana ny olona tratran’ny androbe, hoy ny neurologue interniste ao amin’ny service neurologie-HJRB, Razafimahefa Julien. Maneran-tany, 50 tapitrisa ny mararin’ny androbe ary 2 tapitrisa mahery ny tranga vaovao isan-taona. Aretin’ny atidoha faharoa hanatonan’ny olona hopitaly ny androbe aorian’ny fahatapahan’ny lalandra ao amin’ny atidoha. Aretin’ny atidoha miseho amin’ny fiverimberenan’ny fanintona ny androbe. Misy herinaratra (courant éléctrique) mikorontana ao anatin’ny atidoha mitarika ny fanintona hita ety ivelany. Misy antony mampikorontana ilay herinaratra. Ny fahasimban’ny atidoha vokatry ny dona mafy mihatra aminy, avy amin’ny tsimokaretina ao anaty atidoha… Antony hafa, tsy misy fahasimbana ny atidoha fa tarazo nolovaina tamin’ny ray aman-dreny ny aretina androbe.
Mizara roa mazava ny fitsaboana ny androbe. Ny fitsaboana ny fanintona tsy hiverimberina sy ny fitsaboana ny anton’ilay androbe raha fantatra. Tokony hatao avokoa ireo fitsaboana roa ireo. Ho an’ny fitsaboana voalohany, ilaina ny fihinanana fanafody isan’andro mandritra ny taona maro handaminana sy hamerenana amin’ny laoniny ny herinaratra mikorontana ao anaty atidoha. Momba ny fitsaboana ny anton’ ny androbe kosa, miankina amin’ny fitiliana ny atidoha izay.
Nanatontosa : Vonjy