Ady anaty… miseho ivelany

 

Misy ady anaty ny eny anivon’ny vondrona na antoko politika amin’izao: iza no ho kandidà aiza? Amin’ny fifidianana depiote io. Misy ny efa mitonon-tena eny amin’ny vahoaka amin’izany fa vonona, ny mandoka tena amin’ny fitanisana zava-bita sy izay mbola hatao, ny matoky tena ka miandry amim-pitoniana izay ho fanapahan-kevitry ny antoko na vondrona politika misy azy… Ady fiady avoko izany? Na fomba fiady tsotra izao…
Misy ny tsy mahazaka raha vao tsy hatolotra ho kandidà amin’izany dia handeha amin’ny anaran’ny tenany manokana: tsy miankina. Mbola izay hatrany ny fanaovana politika? Ady sy fihazakazahana hahazo toerana, fivadibadihana be ihany, tsy manaiky fifampifehezana… Tsy ampy na tsy maharesy lahatra ny fifampifehezana dia tsy ilaozan’izay hoe samy manao izay saim-pantany. Tsy foto-kevitra tsinona no tena mitondra fa toerana?
Amin’izany, tsy ahoan’ny sasany izay anto-bola amin’ny firotsahan-kofidina na ohatrinona aza. Ao anaty fanjakana indray manonitra? Na izany koa no mahatonga ny politika ho fiadian-toerana hatrany no mibahan-toerana, fa tsy foto-kevitra, vinam-piarahamonina… Mampalaina koa ny olom-pirenena amin’ny politika sy ny mpanao politika? Tsy mahagaga, ohatra, raha mahazo vahana hatrany ny hoe tsy miankina amin’ny antoko, foto-kevitra, vina…
Hisy amin’izay ny fiovana amin’izao fifidianana izao? Ady anaty eo amin’izay te ho kandidà handeha amin’ny foto-kevitra sy vina, manaiky fifampifehezana… Adiady koa eo anivon’ny vondrona sy antoko politika, ka tsy hazakazaka amin’izay hahazoana toerana fotsiny no mitondra, fa eo indrindra koa izay tena miady ho an’ny vahoaka. Ady anaty koa eo amin’ny vahoaka hijery sy hifidy izay tena hisolo vava azy fa tsy izay manampy itsy na iroa…

R. Nd.

Partager sur: